- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRanomasin’i Fenerivo atsinanana : Mpirahavavy sy ny rainy maty an-drano

Ranomasin’i Fenerivo atsinanana : Mpirahavavy sy ny rainy maty an-drano

Tokony ho tamin’ny 11ora antoandro, ny alahadin’ny paska teo, dia mpirahavavy sy ny rain’izy ireo no maty natelin’ny ranomasina tao Fenerivo atsinanana. Tao amin’ny faritra atsoin’ny mponina hoe “la piscine”, ao amin’ny fokontany Ampasipotsy, no nitrangan’ny loza. Raha ny fazavana avy any Fenerivo atsinanana dia nilalao ranomasina toy ny olona rehetra niala sasatra tao amin’ity toerana ity ireto fianakaviana avy any Antsirabe ireto. Teo amoron’ny ranomasina izy mirahavavy no nilalao tamin’ny voalohany. Noho ny onja sy ny fiakarana sy fidinan’ny ranomasina anefa dia tafiditra teny amin’ny faritra lalina tamin’ilay ranomasina izy mirahavavy ary niezaka nanavotra ny ainy. Tao anatin’izany no nahita ny olana tamin-janany ilay raim-pianakaviana ka namonjy azy miarahavavy, teo anefa dia izy telo mianaka no naira-navadibadiky ny onja, ary niezaka niantso vonjy. Somary nitokantokana anefa ny toerana nisy azy ireo ka tara ny fahitan’ny olona manodidina azy ireo sy ny fandrenesan’izy ireo ny antso vonjy nataon’izy ireo. Niezaka nanavotra azy ireo ny olona manodidina saingy tao anatin’izany no nanjavona tao anatin’ny onja izy telo mianaka. Natao ny fikarohana nanomboka teo ka tokony tamin’ny 02 tolakandro, ny alahadin’ny paska io, vao hita izy mirahavavy izay 14 taona sy 17 taona; ny alina kosa vao hita ny rain’izy ireo. Omaly alatsinainy dia teo am-pikarakarana ny fatin’izy telo mianaka ho any an’Antsirabe ny fianakaviany sy ny Fikambanana Ifanampian’ny TEraky VAkinakaratra. Ankoatra izany dia tovolahy iray 19 taona koa no lasan’ny ranomasina teo amin’ny fari-dranomasin’ny Lycée J. Rabemananjara Salazamay ny alahadin’ny paska teo ihany. Haingana ny famonjena azy ka avotra ihany ny ainy taorian’izany.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici