Sendra ny tampoka ireto mpanjono dimy lahy nandeha lakana misy motera teto amin’ny ranomasin’i Toamasina. Maty tsy nety velona tampoka ny moteran’ilay lakana ary rendrika no niafarany noho ny onja tafiditra tao anatiny, teo amin’ny tendron’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Avy hatrany dia nandefa fanairana ireto mpiandakana ka tonga nanavotra azy ireo ireo mpamonjy azy. Nandritra izany dia telo lahy tao anatiny no avotra teo, fa ireo roalahy ambiny kosa mbola nokarohina vokatry ny onja. Tovolahy nipetraka tao Mangarivotra sy Tanamakoa ireto roa lahy mbola karohina ireto. Ireo olona telo hita velona kosa dia efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avy teny amin’ny toeram-pitsaboana.
Malala Didier


