Nafana be ny andro ny talata tolakandro teo, ka nandeha nandro sy nilomano teny an-dranomasina ireto tanora mpianatra tao amin’ny kolejy Sainte Thérèse tao Salazamay ireto. Teny akaikin’ny trano fandraisam-bahiny sy fisakafohanana teo amin’ny boulevard Ratsimilaho “501” ny zava-nitranga. Ny loza anefa dia natelin’ny ranomasina ny iray tamin’ilay tanora mpianatra 4ème tao amin’ny sekoly, ary mbola tsy hita hatramin’ny nanoratana ny vaovao. Araka ny filazany namany niara-nilomano taminy tamin’io fotoana io, dia niara-lasan’ny ranomasina izy roa lahy, fa ilay iray avotra soa aman-tsara raha niezaka nanavo-tena, saingy torana ity ka navotan’olona. Iray koa tsy hita popoka raha tafody aina ilay torana raha niteny izy fa misy namako koa lasan’ny ranomasina teo niaraka tamiko. Nokarohana ilay namany nanomboka teo fa hatramin’izao nanoratana izay dia mbola tsy hita , na efa miezaka manao izay mety i Lalaina zanadrano, fiantsoan’olona isaky ny misy maty an-drano na an-dranomasina eto Toamasina. Nanambara i Lalaina zanandrano fa efa hitako izy ary efa noezahako nosamborina, fa malama be ka tsy mety azo ka mila manao fombafomba isika mba ahazoana azy hoy izy. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza mihitsy ny talem-paritry ny fampianarana Atsinanana sy ireo mpamonjy voina ary ny mpitandro ny filaminana mandamina ny fikarohana azy. Nandritra izay no nahalalana fa i Nathan na Legofa ny fiantso azy ity tovolahy tsy mbola hita natelin’ny ranomasina ity. Nandritra izao tranga izao koa no nanafaran’ny talem-paritry ny fampnarana atsinanana ny tokony hitadremana sy tsy hivoahana sekoly ary ny filomanosana an-dranomasina fanaon’ireo mpianatra, fa loza mitatao ho an’ny mpanabe sy ny ray aman-dreny izany. Nankahery ny ray aman-drenin’i Nathan vokatra izany ny DREN atsinanana.
Malala Didier




