- Publicité SW45 -
mercredi, octobre 23, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRanomena Vangaindrano : Tra-tehaka ny rongony 650kg

Ranomena Vangaindrano : Tra-tehaka ny rongony 650kg

Lehilahy miisa enina, nilonjehitra gony am-polony maro feno rongony no tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ranomena, ny faran’ny volana teo. Niisa teo amin’ny 25 lahy teo izy ireo, hoy ny vaovao, saingy tafaporitsaka ny sasany ka tsy nisy afa-tsy ireo enin-dahy ireo no voasambotra. Raha ny fantatra dia avy naka rongony tany amin’iny faritra Andriry, distrikan‘i Betroka, iny ireto rongony ireto ka nokasaina hoentina ao Vangaindrano, ary mazava ho azy fa aty an-drenivohitra no hiafarany.

Marihina fa taorian’ny fanomezam-baovao nataon’olona no nahazoana an’izao vokatra izao ary nahafahana nanapaka nialoha ity tambajotra mpanaparitaka rongony ity. Aman-jatony kilao tokoa mantsy izao tratra izao, satria rongony nahatratra teo amin’ny 50 isa, izay milanja eo amin’ny 13 kilao isanisany izao sarona izao. Nogiazana avy hatrany moa ny entana, miandry ny fanahapaha-kevitra ny fitsaràna ny amin’ny fanapotehina azy. Izy enin-dahy voasambotra kosa efa natolotra ny Fampanoavana ary nampidirina am-ponja vonjimaika. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo namany sasany.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici