Manao hetiska amin’izao fotoana izao ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-8 avy eny Analamahitsy mikasaika ireo olona mandeha manarato eny amin’ny ranon’i Masay. Fantatra izao fa roa ireo mpanjono nosamborina omaly. Nentina niaraka tamin’ny haratony izy ireo. Ity hetsika ity dia mba hamefena ireo maka trondro amin’iny rano maloto iny. Araka ny vaovao voaray, isaky ny adiny roa famataranandro no manao fisafoana eny an-toerana ny mpitandro filaminana. Hitohy tsy mijanona moa izany hetsika izany. Ireo mandalo amin’iny lalan’i Masay iny dia mahita fa misy tokoa ireo mitondra lakana eny afovoan’ny rano miaraka amin’ny harato. Ankoatra azy ireo, eo koa ireo andian-jatovo lahy mitondra ireo bararata lava ireny ary toa misy zavatra maranitra ny lohany tonga maka trondro eny amin’io rano io. Asa moa raha hisy fepetra horaisina koa ny amin’izy ireny. Samy maka trondro amin’io toerana voarara io izy ireo. Asa moa na mbola mahazo trondro ihany izy ireo na tsia. Matoa anefa mikiry midina anaty rano ao ry zalahy dia mazava fa misy dia misy tokoa ny hazandrano azony. Maro ny mametraka fanontaniana : aiza no hamidy ireo trondro azo ?
r.s.