Taorian’ny raharaha nahatafatsoaka ireo voafonja miisa 06 eo am-piandrasana fitsarana tao amin’ny fonjaben’i Maroantsetra, dia nanao ny vela-pandriny ireo mpitandro filaminana any an-toerana niaraka tamin’ireo mpandraharaha ny fonja. Raha ny vaovao azo dia nisy omaly ny fahatrarana ireo 04 tamin’ireo 06 nitsoaka tany anatin’ny alan’ity distrika ity, eo am-pikarohana ny ambiny roa izay efa fantatra ny misy azy ireo sy nitsoahany ny mpitandro ny filaminana sy ny mpandraharaha ny fonja any an-toerana. Raha hiverenana ny tantara dia nanararaotra ny oram-be nisy tany an-toerana ny talata alina nifoha ny alarobia alina teo ireo voafonja nivoahana ny fonja nihazonana azy ireto, ny fonja ben’i Maroantsetra ihany koa anarany fonjy fonja fa efa tsy mendrika izany intsony ny fotodrafitrasa, indrindra ny fefy miaro ireo voafonja ireo amin’izao fotoana izao. Ankoatra izany raha momba ilay raharaha nahamay ny tranon’ireo polisy farany teo noho ilay resaka faty olona roa, ka ny iray maty tao an-tranomaizin’ny polisy ary ny faharoa maty voatifitra nandritra ny sakoroka, dia efa misy ny fanesorana ireo polisy miasa any an-toerana izao mba tsy hitaran’ny raharaha, ireo mpitsara avy eto Toamasina kosa no hisahana ny fanadiadiana ny raharaha raha ny fanazavana azo.
Malala Didier