- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-Divers« Ratsikitsiky » : Pôlisy tian’ny olona indrindra eto Tana !

« Ratsikitsiky » : Pôlisy tian’ny olona indrindra eto Tana !

Tsiky iray isaky ny mpitondra fiara no omeny ka na eo aza ny fitohanana be eo amin’ny toerana izay iadidiany amin’ny fifamoivoizana dia lasa malefaka hoazy ny mpamily. Vokany lasa milamina hoazy ny fifamoivoizana. Dia teo koa no teraka ilay anarana hoe Ratsikitsiky. Vetivety foana dia lasa niparitaka tao anaty tambajotra sosialy ny anarany, indrindra ny tambajotra FEM izay miresaka momba ny fifamoivoizana eto madagasikara. Tsy misy tsy mankasitraka an-dRatsikitsiky ireo olona maneho hevitra ary maneho ny fifaliam-pony noho ny asan’ity pôlisy mitondra ny tsipika roa ity. Hatreto, raha oharina amin’ny olona miresaka azy, dia ity izany ny pôlisy tian’ny olona indrindra eto an-drenivohitra. Raha kiana avokoa matetika no hita amin’ny tambajotra sosialy, dia tsy misy afa-tsy poa-tsatroka kosa ny an-dRatsikitsiky. Inoana mba hitondra lesona ho an’ireo namany ny tsikitsiky entin’ity pôlisy ity. Ankoatr’izay ihany koa dia tsapa, avy amin’ity tranga ity, fa mahay mankasitraka ihany ny Malagasy rehefa misy ny zavatra mety ataon’ny hafa. Toe-tsaina tsara havoitra…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser