- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversRavalomanana : « Kidnapping no nanjo azy », hoy ny mpahay lalàna

Ravalomanana : « Kidnapping no nanjo azy », hoy ny mpahay lalàna

Tsy nisy fampisehoana taratasy fisamborana avy amin’ny fitsarana. Torak’izany ihany koa ny fahafahana misava ny tranony. Nefa dia miaramila mirongo basy avy hatrany no tonga ary nampiseho ny…fahaiza-manaony. Notifirina basy ny vavahady ary torak’izany ihany koa ny varavarana farany mankao amin’ny efitra nisy an-dRavalomanana. Teo dia nentina nivoaka izy ary raha ny vaovao ôfisialy dia nihazo ny Toby Ratsimandrava ny fiara tsy mataho-dàlana nitondra azy. Nisy feo hafa koa anefa nilaza fa nivadika fiara izy dia nihazo an’iny lalam-pirenena voalohany iny, mihazo an’Arivonimamo. Mbola tsy voamarina kosa ny momba an’io, satria ny tompon’andraikitra nanontaniana dia tsy naneho ny heviny loatra. Ny tsy fampisehoana ireo antontan-taratasy rehetra, eny fa na dia  nilaza aza ny fitondrana fa ho fiarovana ny ainy no anton’ny « nisamborana » azy tao an-tranony, dia miendrika fa nalaina an-keriny ny Filoha teo aloha, raha araka ny mpahay lalàna iray nanontanianay. Nidirana an-keriny ny tranony (violation de domicile) ary koa fakàna an-keriny (séquestration). Ireo ara-teknika no fijerin’ny mpahay lalàna iray izay nanontaniany ny zava-nitranga omaly.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser