- Publicité -
mercredi, septembre 24, 2025
AccueilFaits-DiversRavalomanana : « Résidence surveillée » tanaty hotely ny alatsinainy?

Ravalomanana : « Résidence surveillée » tanaty hotely ny alatsinainy?

Hatreto dia mbola tsy nampahafantarin’ny fitondrana ny toerana misy ny Filoha teo aloha. Mbola « kidnapping » hatrany ny fijerin’ny fianakaviany ny zavamisy vokatr’izany…

Tsy tao amin’ny toby Ratsimandrava intsony ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana no notazonina ny alin’ny alatsinainy teo. Adiny roa fotsiny izy, raha araka ny loharanom-baovao maharaka ny raharaha, no tao dia nentina nivoaka. Nentina teny amin’ny RN1 aloha ka teo no nahatonga ilay feo nandeha be fa natao « résidence surveillée » tany amin’iny toerana iny izy. Rehefa nohamarinina anefa dia tsy mbola nitombina ihany koa izany. Teny amin’ny hotely iray tetsy Ambohimanambola no nentina natory i Marc Ravalomanana, raha araka ny loharanom-baovao maromaro hatrany. Taorian’izay, izany hoe omaly, indray dia nivezivezy tanteraka ny tenany. Niainga teto an-drenivohitra ary saika hotazonina tao amin’ny tranony eny Andranomanelatra Antsirabe. Efa tonga tany mihitsy, raha ny loharanom-baovao, ary nijanona kely tao no nalaina tamin’ny helikoptera. Ny anton’izany dia noho ny fahenoana fa misy andian’olona naharaka ilay fitaterana azy nankany, ka voatery nentina niala tao izy. Teo amin’izay dia ireny nandeha tamin’ny tambajotra sosialy ireny ny zava-nitranga : nentina tany Mahajanga ; naka solika 350 litatra teo amin’ny seranam-piaramanidina ny helikoptera dia niainga indray nony avy eo ary nihazo ny an’Antsohihy. Raha araka ny vaovao farany dia na ao amin’ny nosy kely iray manodidina an’Analalava sy Anjajavy no nisy azy. Mahakasika ny fisamborana azy tao Faravohitra indray dia fantatra izao fa “fusil à pompe” no nitifirana ny vavahadiny. Tsy nahavaha an’izany anefa ny bala valo nampiasaina ka voatery navadika “fusil d’assaut”. Nisy manam-pahefana iray eo anivon’ny asa fitsikilovana izay am-perinasa amin’izao fitondrana izao, tsy hotononina anarana aloha hatreto, isan’ny tao anatin’ny trano ary tao amin’ny efitra izay nisy ny Filoha teo aloha mihitsy. Nitodi-doha nihazo an’Ankadimbahoaka sy Soanierana ireo 4X4 izay nitondra azy ary tao amin’ny toby no niafarany. Tao indray dia notazomina vetivety, araky ny voalaza etsy ambony izy, ary niova ny mpitandro ny filaminana nitondra azy tany an-toeran-kafa. Fantatra koa ankehitriny fa taizan’ny “tension” ny Filoha teo aloha ary misy fanafody tokony hohaniny isan’andro momba izany. Io anefa dia tsy voatondrany nandritra ny fakàna azy tao an-tranony ary isan’ny nampiahiahy ny fianakaviany ankehitriny ny toe-pahasalamany any amin’ny nosy kely izay nametrahana azy. Raha ny re omaly dia efa nisy naka tao omaly izany sy ny fitafiany sasantsasany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser