- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversRavalomanana tao Paris : Nitaraina taminy ny Diaspora

Ravalomanana tao Paris : Nitaraina taminy ny Diaspora

ra8Nandalo tao Paris ny filoha Ravalomanana, ny 9 jolay lasa teo ary namaly ny antson’ny Diaspora malagasy monina aty Erôpa nihaona taminy. Tao Chilly-Mazarin (Atsimon’i Paris) no natao ny fihaonana ary momba ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao no vontoatin-dresaka tamin’izany. Hery Andriamparany, tompon andraikitry ny serasera an’ny GTT International no nanazava, fa « nahatsapa ireo malagasy monina any ivelany fa tena latsaka anaty lavaka lalina tanteraka i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tadidy fa teo an-dalan’ny fandrosoana ny firenena tamin’ny 2008 kinanjo voasompatry ny fanonganam-panjakana, koa ankehitriny dia ny fanjakan’ny baroa no iainana. Tsy misy antenaina ny ho avin’ny firenena raha toa ka mitohy hatrany : ny fandrobana ny harem-pirenena, ny fampihorohoroana, ny jadona, ny halatra, ny vono olona, ny fanampenam-bava, ny fisolokiana mivantana sy halatra ambony latabatra, ny kolikoly izay efa hita nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramin’izao ». Manoloana izany toe-javatra rehetra izany, dia manohana tanteraka ny hilatsahan’ny filoha Ravalomanana indray amin’ny fifidianana 2018 izy ireo satria izy irery ihany no hita taratra sy nanome porofo fa mitondra an’i Madagasikara amin’ny lalan’ny fivoarana. Niafara tamin’ny fialana hetaheta sy fiaraha-misakafo ny fihaonana tao Paris.

r.f

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici