Manararaotra tanteraka mihitsy ny tontakely amin’izao ankatoky fety izao, indrindra fa eny amin’ireny toerana be olona ireny, anisan’izany ny tsena sy ny fiandrasana taxi be. Tetsy Mahazo, teo amin’ny fiantsonana fantatry ny maro eny an-toerana amin’ny hoe « kiraro ravinala », ny andron’ny sabotsy teo, tontakely iray no tra-tehaky ny pôlisy teo am-panantanterahana ny asa ratsiny.
Efa tsy vitsy tokoa ny mikaikaika amin’ny ataon’ireo mpanendaka, mpangarom-paosy sy mpanao sinto-mahery amin’ireny toerana ireny fa tamin’ity indray mitoraka ity dia ela nitoratorahana loatra ingahy. Teo am-pisintomanana kitapon’olona, handeha hiakatra taxibe izy no tazan’ny mpitandro filaminana ka noraisim-potsiny avy hatrany, tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro tany ho any. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria ingahy ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy, mandram-piandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana ho amin’ny anio.
m.L




