Tontosa soamatsara ary vita antsakany sy andavany ny fifidianana izay ho filohan’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria ary ireo birao vaovao hiara-miasa aminy any amin’ny faritra Bongolava. Voafidy ho filoha hitantana izany Razafiniarivo Dera Andriamihaja. Voafidy tamin’ny lisitry ny Fivmpama izy io. Marihina fa efa filoha teo amin’io sehatra io ny taona 2012 ka hatramin’ny taona 2017 ity filoha vaovao ity, ary tena nahitana fahombiazana tokoa tamin’ny lafiny fiaraha-miasa tamin’ireo avy any ivelany raha ny vokatra tao Bongolava noho ny traikefa nananany. Rehefa tsy teo amin’ny toerana intsony izy dia maty momoka ireo ezaka nataony, satria very avokoa izany fiarahamiasa izany. Amin’izao nahavoafidy azy izao indray, azo heverina fa hitondra amin’ny fampandrosoana indray izy, satria efa nandrandrain’ireo mpandraharaha maro ny hahatongavany eo amin’ny toerana indray. Araka ny nambarany, vonona tanteraka ny tenany hanarina indray sy hitondra fampandrosoana amin’io sehatra io any Bongolava.
Yv Sam