Tezitra ny fianakavian-dRtoa Low-Kein Solange Josée, vehivavy 52 taona, maty tany Valence France, ny antoandron’ny 28 febroary lasa teo, ka hitory ny Air Madagasikara, satria mbola tsy hita popoka hatramin’izao ny vatana mangatsiakany nentin’ny fiaramanidin’ity kaompania ity. Niala tao Paris Frantsa ny alahady 8 martsa teo, raha tokony higadona tao amin’ny seranampiaramanidina Ivato omaly naraina tamin’ny 5 ora sy sasany, ary notsenaina tany Toliara omaly naraina ihany. Teo vao gaga ny fianakaviany sivy niray fiaramanidina tamin’ny razana, fa tsy tao ny razana ary mbola miandry vasoka hatramin’izao. Avy hatrany dia nangata-panazavana tamin’ny tompon’andraikitry ny Air Mad ny fianakaviana. Nilaza ny tao fa nifamadika ny vatampaty, ka lasa any Nyame Niger (Afrika Afovoany) ny vatana mangatsiakan-dRtoa Low-Kein; izay tokony ho any Toliara.
Nandoa vola Ar 40 tapitrisa. Tezitra noho ny fanaovana tsinontsinona azy ireo sy ny tsy fanajàna ny reniny maty ireo zanany, ka hitory ny kaompania Air Madagasikara ary haka mpisolovava iraisam-pirenena, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tany Toliara, omaly antoandro. « Vola 13 500 Euros saran-dalanay, raha 7 000 Euros ny an’ny reniko, nefa dia izao tsy hita popoka izao ny fatiny ». Manahy ny fianakaviana fa ho simba tanteraka ny razana, nefa mbola handrasana ao Toliara rehefa tonga, izay tsy fantatra hoe rahoviana ?
Eric Man