Nalevina omaly tolakandro tao Andolobazaha Toliara ny nofo mangatsiakan’i Low-kein Solange Josée, ramatoa 52 taona maty tany Frantsa, lasa tany Nyamé Niger ny razana, raha tokony tonga tao Toliara ny talata maraina teo (nifamadika hoy ny Air Mad). Nampiahiahy ny fianakavian’ny maty ny nahitana fahasimbana tamin’ny vatam-paty (toa nopohirina) ary niolana ny tendan’ny maty rehefa nojerena, ny alin’ny alarobia, fotoana nahatongavan’ny razana tany Toliara.
Nipatitaka ny razana, hitory. Tamin’ny fotoam-pandevenana omaly nandritra ny nakana ny razana tao anaty vata hofonosin-damba, vao samy taitra sy gaga ny rehetra nahita ny vata zara raha nihidy (nisy tamin’ireo « vis » (bolao) no niala, ny lakaoly nitazona ny vata mitazona azy tsy niraikitra intsony). Tsy teo ihany koa ny akora sy fitaovana manonkana mitazona ny razana tsy ho simba, ary nikorontana toa efa nisy nibata ny razana tao anatiny. Ny tanan’ny maty nikombona nanandrify ny kibony, lasa nipatitaka ary tsy teo intsony ny chapelier natao teo. Nahitana tataka roa ihany koa teo amin’ny kibony, hoy ny zanany, Rtoa Olsen Solomandimby Armelle sy Solomandimby Amandine, nitafa tamin’ny mpanao gazety. Ho an’ny fianakaviana : nisy nanokatra ny vata ary efa niahiahy nanomboka ny talata izy ireo. Marihina fa natao teo anatrehan’ny polisy siantifika sy ny vadin-tany ny fizahana. Nanamafy ny havan’ny maty, fa tsy hilefitra amin’ny fanaovana tsinotsinona ny maty. Hitory ny Air Mad ary hiady hatramin’ny farany hivoahan’ny marina.
Eric Man