- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSeranam-piaramanidina Ivato : Razana nilàna vaniny, tsy nety navoakan’ireo tompon’andraikitra

Seranam-piaramanidina Ivato : Razana nilàna vaniny, tsy nety navoakan’ireo tompon’andraikitra

Ny zoma lasa teo no tonga avy amin’ny sidina avy tany an-drenivohitr’i Frantsa ity razana ity. Ny ampitso antoandro vao navoakan’ireo tompon’andraikitra tao amin’ny seranana tao Ivato ny razana. « Sanatria tsy misy vidiny fa toy ireny entana ireny no fiheveran’ireo olona ny vatana mangatsiakan’ilay havanay. Tsy nisalasala ireo mpitandro filaminana roa vavy, nampiditra azy tao amin’ny trano fitehirizana entana tao Ivato. » Mampalaelo tanteraka ny zava-nisy, hoy Atoa Rafalimanana Raymond, tonga teto aminay nitantara ny zavatra nanjo azy sy ireo fianakaviany, raha handeha hamoaka razana tonga avy any am-pitandranomasina tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. « Misy anankiroa ny razana tonga tamin’io fotoana io, mitovy tsy misy valaka ny antontan-taratasy teny am-pelatananay na ny an’ireo tompon’ilay razana hafa. Nahagaga anefa fa vetivety dia tafavoaka ny an’izy ireo, raha nilàn’izy ireo vaniny ny famoahana ny anay… ». Nambaran’ireo lasibatra fa tena narirariran’ireo « pôlisy milaza ho mpitsabo » izy ireo,  tonga hatramin’ny famoronana taratasy izay voalaza fa tsy maintsy alaina eny Ambohidahy vao afaka mivoaka ilay razana. « Fomba iray fanaon’izy ireo rehefa hila vaniny sy te haka vola izy ireo, saingy izahay tsy nanome, dia io nampidiriny tao amin’ny trano fitehirizana entana ilay vata misy ny nofo mangatsiakan’ny havanay ». Marihina fa rehefa tonga ny mpisolo ireo teo aloha dia vetivety dia tafavoaka ilay razana taorian’ny famenoana ireo antontan-taratasy, nalaina teny an-toerana ihany, araka ny fitantarany. Anisan’ny tranga mampitaraina ny olona fatratra tao ho ao izay ny zava-misy eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenana eny Ivato eny, noho ny afitsok’ireo tompon’andraikitra isan-karazany misahana ny fisavàna sy fadin-tseranana. Efa samy nilaza ho handray fepetra amin’ireo olony tsirairay, izay tratra manao hadalàna avy, na ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena, na ny teo anivon’ny fadintseranana. Ny Filoham-pirenana mihitsy ihany koa aza no nanisy tsindrim-peo mahakasika ity raharaha ary hentitra izy fa tsy hisomonga velively amin’ireo izay tratra manao ny tsy mety, vao tsy ela akory izay. Io indray anefa dia efa misy tranga hafa teny an-toerana.

Nangonin’i m.L

- Publicité Google Ads -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Tsy ampy traik efa sy diso be afera loatra ireo polisy eo Ivato ireo ka tokony solina any daholo ao no toerana tena be afera indrindra ka tokony andraisan`ny mpitondra didy hentitra fa lasa resaka manidina fotsiny ny ataony mitohy foana .

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici