Isan’ny olana eto Toamasina renivohitra ny fahamaroan’ireo ankizy mirenireny an-dalam-be noho ny olana misy amin’ny fianakavian’izy ireo ; saika feno azy mangataka avokoa ireo toeram-pivarotana lehibe misy eto Toamasina, ary feno azy ireo ny tranom-barotra tera-tany « karana » isaky ny zoma fotoana fanaovana asa soa ho azy ireo. Mazana dia ireto ankizy mpirenireny ireto no ivoahan’ireo andian-jiolahy eto Toamasina araka ny fanazavana, noho izy ireo efa miditra amin’ny fidorahana zava-mahadomelina dien’ny mbola kely noho ireo mpananatra sy ireo mpanara-maso tsy misy. Izay no nahatonga an’ity mpandraharaha vehivavy malagasy, Rtoa Raholiarijaona Aina, nanokana ny fampiasam-bolany amin’ny fandraharahana ataony tamin’ny fananganana ny toerana fitaizana sy fanarenana ireo ankizy mpirenireny an-dalam-be eto Toamasina antsoina hoe « Réfuge d’Aina », izay nahorina ao Antetezambaro lalam-pirenena faha-5, 13km miala ny tampon-tananan’i Toamasina. Efa nanomboka ny taona 2015 no nisahanany ireto ankizy mpirenireny an-dalam-be ireto teto Toamasina, ka teo no nieritreretany amin’ny fananganana toerana manokana ho azy ireo mba hahazoan’izy ireo ny toerana mendrika azy. Misy 52 ireo ankizy taizany ankehitriny izay manomboka amin’ny 2 taona hatramin’ny 17 taona, ka a 20 amin’izy ireo no manao ny kilasy mandry raha 32 kosa ireo mamonjy ny ray aman-dreniny isaky ny hariva. Tezaina ara-batana sy ara-tsaina ary ny ara-panahy ireto ankizy sy zaza ireto, ka misy ny kilasy manomboka amin’ny garabola hatramin’ny taona faha-5 na CM2 amin’ity ivon-toerana fitaizana ity. Ireo tafiditra amin’ny dingana manaraka kosa na izy ireo mianatra eo anivon’ny Ceg Antetezambaro, na izy ireo mianatra amin’ny Ceg na Lycée eto Toamasina renivohitra. Ity mpandraharaha ity sy ireo mpiara-miombona antoka ary ireo mpiara-miasa aminy avokoa no miantoka ny fitaizana ireto zaza sy ankizy ireto ara-tsakafo sy amin’ny fanaramana ireo mpanabe samihafa, satria ny tanjony dia ny hahazoan’ny zaza sy ny ankizy malagasy ny fanabeazana sy fianarana izay hitondra azy ho olom-banona ; izay miantoka ny fampandrosoana eto amin’ny firenena.
Malala Didier