Nisy nahazo horonan-tsary ary dia porofo mitohoka amin’ny tenda, tsy misy ihodivirana. Rehefa rava ireo mpandroba ka niala tsikelikely dia niditra tao amin’ny trano fivarotana ilay mpitandro ny filaminana. Nanam-potoana izy nifidy izay entana mba nety taminy ary dia nataony am-paosy ny sasany ary notaterina ny hafa. Isan’ny zava-nitranga tamin’iny alin’ny alakamisy iny izany. Ny tsy noeritreretiny dia misy “camera de surveillance” mandeha tsara ilay toeram-pivarotana ary dia novakiana fotsiny ny zava-nitranga rehetra rehefa nilamindamina. Hita amin’ny antsipiriany ny halatra nataon’ilay olona saingy mbola nisafidy aloha ny tompon’ny tsena ny nitahiry fotsiny ny horonan-tsary. Mazava hoazy fa raha amin’izao vanim-potoana misafototofo izao no hametraka fitoriana dia tsy hisy varany izany ary tsy hisy miraharaha. Ny zavatra tsikaritra dia baranahiny tanteraka ny fidinana an-tsehatr’ireo hatramin’ny niandohan’ny tolona. Misy ny mahery setra be ary tena mamono, misy koa ireo tena niala ilany araka ny fitenanana ary misy ny…mangalatra. Mbola voafehin’ny baiko tsara ve izy ireo? Manara-maso akaiky izany ny olom-pirenena.
D.R



