Nivarahontsana ny olona nahare ny firefotran’ny varatra, tao anatin’ny « segaondra, » vitsy tany amin’ny manodidina kaominina ambanivohitra Mahazomà ny farany herinandro lasa teo iny. Raha hotantaraina tokoa ny tena zava-nitranga dia renim-pianakavina iray sy ny vadiny, ary ny anadahiny no avy nikarama nanetsa, tany amin’ny tanàna atao hoe: Marosakoa, ka hihazo handeha hamonjy fiodiana any amin’ny tanànan’Antanambao kely, ireto farany, izany hoe: any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Rehefa niampita ny reniranon’i Matsamena izy telo, izay mifanao aloha sy aoriana dia nirefotra tampoka ny varatra, sady nisasasasa avy eny amin’ny lanitra no natsipiny teo anoloana ny rangaha vadiny, ity Ramatoa ity, efa tsy misy aina mitempo intsony ny Alahady 2 Febroary taona 2025 teo. Tsy nisy naninona kosa ireo roa lahy niaraka taminy. Omaly harivan’Alarobia 5 Febroary 2025 teo no nalevina ny fatin’ilay renim-pianakavina nilatsaham-potaka. Ratantely
Articles qui pourraient vous intéresser