- Publicité SW45 -
jeudi, mars 13, 2025
AccueilFaits-DiversFanafihan-dahalo : Renim-pianakaviana naratra mafy voafira famaky

Fanafihan-dahalo : Renim-pianakaviana naratra mafy voafira famaky

Nitrangan’ny asan-dahalo nahery vaika tany Tanambao Mahavelo, kaominina Manambotra Farafangana, ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny 9 ora alina. Vokatr’izany, renim-pianakaviana iray no naratra voafira famaky teo amin’ny lohany. Omby 15 no lasan’ny dahalo. Niantso ny mpitandro filaminana ny fokonolona ary nandray andraikitra avy hatrany ireo. Zandary enina niaraka mampandry tany no nalefa malaky nanaradia niaraka tamin’ny fokonolona. Ny alin’io ihany tamin’ny 11 ora dia nifanehatra tamin’ny zandary tao amin’ny kizo ao Marompanahy ny dahalo. Raikitra ny fifampitifirana. Tafaporitsaka tao amin’ny ala arovana Manombo ireo dahalo na dia nisy naratra aza nefa mbola afa-nandositra. Natao ny fisavana ny ala taorian’izay. Hita tao avokoa ny omby, 13 no tafaverina, ny roa novonoin’ny dahalo. Efa tsaboina kosa ny naratra, ary mbola mitohy ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici