Vonoan’olona tamin’ny fomba feno habibiana, niseho tany Antaniavo Antsirabe. Renim-pianakaviana iray voalaza fa mpiasan’ny kaominina no novonoina ary nalevina teo an-tokontany. Lehilahy sy vehivavy, mpivady, karohin’ny mpitandro filaminana ao Vakinankaratra no ahiana ho tompon’antoka amin’ity raharaha vono sy fandevenan’olona an-tsokosoko ity. Tsy mbola hita izay nanjavonan’izy ireo. Araka ny fanazavana azo dia miasa ao amin’ny kaominina Antsirabe, antsoina hoe Harisoa Jouzier Noeline, 55 taona, no nofongarina, teny Antanivao, teo amin’ny tokotanin’ireo mpivady voalaza etsy ambony, ny alahady teo. Ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana no nahitana io toerana io. Efa simba ny razana ka naterina any amin’ny fasan-drazany, ny alatsinainy teo, any Ambatolampy. Raha ny fanazavana, ny 12 septambra 2023, tamin’ny 2 ora tolakandro izy no niala tao an-trano hamonjy asa. Tsy tonga tany amin’ny birao mihitsy anefa izy, raha ny nambaran’ireo mpiara-miasa aminy. Ny hariva tsy niverina nody. Nandeha ny ahiahy sy ny fikarohana ka fantatra fa nisy olona nilaza fa manana tany hamidy aminy. Tsy tratra antso intsony ity mpiasan’ny kaominina ity, nanomboka teo. Nampilaza ny zandary ny havany ary namoaka ombay mitady. Mety nisy ny fifanarahana tamin’izany ka mety nieritreritra ireo olon-dratsy fa, efa niomana sy nitondra vola izy, tamin’io andro io. Niketrika ny mpanao ratsy ka novonoina ary nalevina teo an-tokotany ilay ramatoa. Roa volana aty aorian’ny fikarohana, nahazo vaovao ny zandarin’Andranomadio izay nafahana nahita ilay razana, teny Antanivao, ny alahady teo. Rehefa nanamarina ny zandary ka niafara tamin’izao fahitana ny razana izao. Tsy mbola tratra ireo tompon’antoka amin’ity vonoan’olona ity. Nisy ny efa nanaovana famotorona. Mitohy ny fanadihadiana.
Yv Sam