- Publicité -
mardi, novembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Renim-pianakaviana saika hamono tena, nitelina fanjaitra

Antsirabe : Renim-pianakaviana saika hamono tena, nitelina fanjaitra

Zava doza no nataon’ity renim-pianakaviana iray monina ao Talata Andraikiba. Nitelina fanjaitra ity farany rehefa tsy nahazaka ny fifamaliana tamin’ny vadiny ny sabotsy hariva lasa teo. Fantatra fa matetika izy mivady no miady sy mifamaly ary nisy fotoana efa nisara-toerana mihitsy. Tsy fantatra aloha ny tena anton’ny fifamaliana fa dia nikasa hamono tena ity renim-pianakaviana ity ka fanjaitra no nateliny.

Saika hanjaitra lamba rovitra ny vadiny no tsy nahita ilay fanjaitra ka nanontany ilay ramatoa vadiny, tsotra no navaliny fa nohaniny ilay fanjaitra, efa nanomboka nalemy ilay ramatoa araka ny filazan’ny loharanom-baovao. Nikoropaka ilay rangahy nitondra vadiny namonjy hopitaly haingana. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia voamarina fa tena nitelina fanjaitra tokoa ity ramatoa ity rehefa natao ny fizahana azy. Tsy nahasahy nitelina ilay fanjaitra iray manontolo anefa izy fa notapahany roa ilay fanjaitra ka ny tapany ihany no nateliny.

Arak ny fantatra hatrany, tsy nandalo fandidiana ilay ramatoa satria nitsivalana ilay tapaka fanjaitra tao anaty vavony ka afaka mbola avoaka manaraka ny loto. Efa nody any amin’ny tokantranony ilay ramatoa izay manan-janaka kely roa.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici