Tovovavy iray manodidina ny 25 taona eo ho eo, izay bevohoka dimy vola any ho any no hita faty natsingevan’ny ranon’i Mangoky Morombe, ny asabotsy teo. Tany amin’ny 2 Km miala ny tanàna no nahitan’ olona nandeha lakana ny razana nitsingevana teo amin’ity renirano ity. Nampandre haingana ny teo an-tanàna nampahafantatra ny zava-misy ireto mpivady. Tamin’ny fizahana ny razana no nahafantarana fa mitondra vohoka ity ramatoa ity hita faty ity, ary nahitana dian-dratra toa nokapohina nanandrify ny handriny. Tsy nisy nahafantatra an’ ity tovovavy hita faty ity ny olona teo an-tanàna. Tsy nisy ihany koa ny antontan-taratasy tany aminy mba nahafantarana ny mombamomba azy. Raha ny loharanom-baovao dia ny alahady hariva teo no nalevin’ny fokonolona ny razana satria tsy fantatra ny havany.
Eric Manitrisa