Nandriaka ny rà omaly, teto Andrenivohitra sy ny manodidina. Olona iray no namoy ny ainy tamin’ny resaka lozam-pifamoivoizana, olona am-polony teo kosa no naratra mafy vokatr’izany hatrany. Namontana, Ampefiloha, Anosy, Andrainarivo, By pass … ary ireo tany amin’ny faritra manodidina, toy ny teny amin’ny lalam-pirenena faharoa sy fahefatra iny. Vaviantitra iray tokony ho 70 taona, any ho any, nirava avy niangona no maty tsy tra-drano rehefa voadonan’ny fiara tsy mataho-dalana teny Namontana. Saika handeha hiampita ity renim-pianakaviana ity no nipoitra tampoka ilay fiara, izay nandeha mafy tokoa. Mafy dia mafy ny dona nahazo azy teo amin’ny lohany. Vaky tanteraka mihitsy aza moa izany ary nipotsaka mihitsy atidohany. Araka ny fampitam-baovao teny an-toerana dia toa hoe nitsoaka avy hatrany ny mpamilin’ity fiara ity, izay tsy hita teny amin’ny toerana nitrangan’ny loza rahateo. Fa io antoandro io hatrany, mpandeha an-tongotra iray no voadonan’ny môtô, teny Anosy. Samy naratra teto, raha ilay voadona, na ilay tovolahy nitondra ilay môtô. Torak’izany ihany koa no nitranga tetsy Ampefiloha. Fiara sy môtô scooter iray no nifandona. Naratra mafy vokatr’izany ihany koa ilay mpitondra môtô, izay efa nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana. Fa ny hariva indray, olona roa no naratra mafy vokatry ny fifandonan’ny fiara kely iray sy kamiô teny Bypass. Araka ny fanazavana azo dia samy avy any atsimo, handeha hianavaratra ireto fiara ireto. Ary teo am-pisongonana no niseho ny loza. Vokany, naratra ireo olona tao anatin’ilay fiara kely. Tsy naninona kosa ny mpamilin’ilay fiarabe, eny fa dia nivarina sy nivadika tany an-tatatra aza ity farany. Fa tamin’io fotoana io ihany, fiarabe iray nitondra tany no tsy voatanan’ny hisatra nitazona azy ka nivadika ambony ambany tetsy Andrainarivo, rehefa avy nifatratra tamin’ny andrin-jiro. Naratra mafy ihany koa ny mpamilin’ity fiarabe ity, ary efa nalefa any amin’ny toeram-pitsaboana. Fantatra ihany koa fa nisehoana lozam-pifamoivoizana tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Fiarabe ihany koa no nivadika tamin’io fotoana io teny Mandraka, ary nahatonga fitohanana lavareny tamin’iny lalana iny.
m.L



