Adiny valo isan’andro anaty haizina, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy iny eny amin’ny faritra Alarobia sy Ankorondrano iny. Tsy mahagaga raha migalabona indray ireo tontakely eto Andrenivohitra.
Raha somary lefilefy tokoa, fotoana maromaro izay ny fanendahana fa indrindra ireo ao anaty fiara rehefa anaty fitohanana iny, dia miverina indray izany ankehitriny, raha tsy hiteny afa-tsy Andohatapenaka, Besarety, 67ha sy ireo faritra hafa tsy ialana fitohanana. Ary tena manararaotra tokoa ry zalahy amin’izany, satria dia eo ny delestazy, namana mpanampy mahafatrapo. Matetika tokoa mantsy, dia saika mitontona amin’ny andro hariva ny fatapahan-jiro eny amin’ireny faritra mafana ireny, izany hoe manomboka amin’ny dimy ora sy sasany eo. Ao anatin’ireo ora sy fotoana ireo ihany koa anefa no isan’ny mampitohana tanteraka ny fifamoivoizana, ary fodian’ireo mpiasa sy mpianatra. Tsy mahagaga araka izany raha manararaotra fatratra izy ireo. Ary ny mampalahelo dia zary tranga efa tsy mahataitra ny olona eny amin’ireo toerana ireo, ny fahitan’ireo andiana tovolahy maromaro, misakoroka amina fiara iray anaty fitohanana, na mahita olona voendaka sy miantso vonjeo. Toa izay nitranga omaly hariva. Tovovavy iray no voaendaka finday teny ambonina fiara taxibe izay nandehanany, teny Andohatapenaka. Torak’izany ihany koa teny Besarety, ramatoa iray no lasa pôketra. Olona maro no mifamezivezy amin’io ora sy fotoana io, fa samy mijery fotsiny. Tsy misy azo omen-tsiny tokoa, satria samy matahotra ny amin’ny fananany sy ny ainy avokoa ireo mahita. Toa ny ny nahazo ny mpanampina mpamilina taxibe iray naratra mafy rehefa notatahan’ireo mpanendaka tamin’ny hareza ny vavany.
Raha hiverenana ity resaka delestazy, dia fantatra fa nisy ny fandaharam-potoana izay navoakan’ny avy ao amin’ny Jirama, ny amin’ireo ora sy toerana hisian’ny fatapahan-jiro eto Andrenivohitra sy ny manodidina. Ny andron’ny delestazy anefa vao navoaka izay prôgrama izay, fa tsy andro mialoha. Ary mbola marihin’izy ireo aza fa mety miova ny ora ao anatiny. Fepetra noraisina ireo hitandroana ny fandriampahalemana, izany hoe mba tsy hisy hiomanan’ireo mpanao ratsy. Fepetra tsy dia nisy nilana azy loatra angamba, hoy ny maro. Raha ny ora iainan’ireo vahoaka ao anaty maizina mantsy dia ampy tsara ho an’ireo jiolahy hanatanterahany ny asa ratsiny. Mihoatra lavitra aza angamba. Dikany, miara- manaiky ny rehetra, fa raha tiana hanjaka tokoa izay fandriampahalemana izay, ny sosialim-bahoaka no tokony hatsaraina. Rehefa mahavelona ny tsirairay ny asany, tsy voapotiky ny delestazy, inoana fa tsy hisy hanana saina handeha haka ny an’ny hafa.
m.L