Mivoatra indray izao ny fomba fiasan’ireo tontakely manemitra ny araben’ny Renivohitra. Tsy mandrera-batana mihazakazaka intsony indray mantsy ry zalahy amin’izao fa efa mandeha môtô. Eny amin’ireny toerana be fitohanan’ny fifamoivoizana ireny no tena toerana famelazan-dry zalahy ary ireo olona mitamatama manokatra fitaratra sy ireo mpilalao finday no tena lasibatra. Tsy afa-bela ihany koa anefa ireo mpandeha an-tongotra eny amin’ny sisin-dalana. Roalahy eo izy ireo, ny iray mamily ilay môtô izay mazàna dia “scooter” ary ny iray miezaka maka izay voasintona, hoy ny filazan’ireo mponina efa tratra. Ankorondrano, Antanimena, Analakely, hatrany amin’iny faritra Ampasanimalo, Anosy, 67ha, sy ny maro hafa iny. “Tsy hita hoenjahana mihitsy satria ny azy ireo fitaovana misy môtera. Etsy andanin’izay, efa hain’izy ireo mihitsy ny mitsofotsofoka sy mandeha mafy eny an-tsefatsefan’ireo fiara” hoy hatrany ireo mponina. Amin’izay lafiny izay no entina hisintoanna ny sain’ireo tompon’andraikitry ny filaminana, mba hisy ny fepetra raisina haingana manoloana izany, indrindra fa ny fisavàna azy ireny. Azo heverina tsara mantsy fa mety ho ny ankabeazan’ireo môtô entin’izy dia saika halatra avokoa. Efa saika mandeha amin’itony karazana fitaovam-pitanterana itony avokoa mantsy ireo olon-dratsy noho izy io mora hitsoahana. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ilay fitifirana tovolahy nitranga tetsy Ambondrona omaly.
m.L