- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversRenivohitra : Mirongatra indray ny fangalarana sy ny famakiana fiara

Renivohitra : Mirongatra indray ny fangalarana sy ny famakiana fiara

Isan’ny mampikaikaika ny mponina sy ireo mpampiasa lalana indray amin’izao ny firongatry ny famakiana fiara. Indrindra fa ireo fiara mipetraka amoron-dalana. Efa miha-mivoatra fa tsy mionona intsony amin’ny “batterie”n’ny fiara sy ny “autoradio” intsony ireo mpangalatra. Fa tonga hatramin’ny “jantes alu”, ny kodiarana, ary vao haingana no fantatra fa nisy fiara vaky, ka lasa tao hatramin’ny “calculateur”. N’aiza n’aiza eto an-drenivohitra io, dia saika hahenoana izany avokoa, fa indrindra eny amin’ireo toerana natao ho fiantsonan’ny fiara amoron-dalana. Toy ity nitranga tetsy Andravoahangy ity. Tovolahy iray mantsy no tratry ny tompony teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy. Teo ampangalarana ny batterie an’ity fiara ity ranamana no tra-tehaky ny tompony. Tamin’io fotoana io ihany koa no sendra nisy pôlisy nandalo ka avy hatrany dia nosamborina ilay tovolahy. Tamin’ny fanadihadiana ity farany no nahafantarana fa mpanamboatra fiara izy. Ary isan’ny kojakojan’ny fiara ilainy amin’ny asany hono no antony saika nangalarany ilay “batterie”. Izany hoe, raha somary hitarina kely dia saika izany avokoa izany no antony nahatonga amin’ireo tontakely hamaky fiara. Izany hoe mety efa misy olona manafatra any, na mandray ireo kojakoja nangalarin’izy ireo. Tokony tsy hijanona amin’ny fisamborana ireto mpanantanteraka fotsiny ireto fotsiny araka izany ireo mpanao fanadihadiana fa tokony hihitatra hatrany amin’ireo mpandray halatra sy ireo mpaniraka.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici