- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversRenivohitra : Mirongatra ny halatra ataon’ny mpanampy an-trano

Renivohitra : Mirongatra ny halatra ataon’ny mpanampy an-trano

Saika efa ahitana mpanampy an-trano avokoa amin’izao fotoana izao ireo tokantrano eto amintsika, indrindra fa ny eto an-drenivohitra. Mazàna olona hafarana avy any ambanivohitra izy ireny, na ihany koa jerena any amin’ireo “agence” mpikarakara izany. Mihodina manodidina ny telo alina ariary no ho miakatra ny karaman’izy ireo, raha ny fanadihadiana nataonay teny anivon’iretsy farany. Olona atokisana, satria tokoa dia efa miankina amin’ireo mpanampy avokoa ny fandehanan’ny fiainana ao amin’ny tokantrano misy azy. Tato ho ato anefa, indrindra fa teny amin’iny faritra Analamahitsy, Manjarakary sy ny tariny iny, dia nirongatra tanteraka ny halatra ataon’ireo mpanampy an-trano. Andro vitsivitsy monja no ao amin’ilay tokantrano izy ireo dia efa fongana tanteraka ireo entana sarobidy sy vola. Aorian’izay dia iny izy ireo no tsy hita intsony. Mety ho tafakatra an-tapitrisany maro mihitsy ny teti-bidin’ireo zavatra very amin’izy fotoana izay. Mahazo fitarainana tsy latsaky ny valo isam-bolana eo izahay mikasika izany tranga izany, raha ny filazan’ny tompon’andraikitra voalohany ao kaomisarian’ny boriborintany faha-8. Teo anatrehan’izany, vehivavy roa, 30 sy 40 taona samy mpanampy an-trano no tra-tehak’ireo pôlisy noho ity resaka fangalarana ity. Volabe, firavaka ary entana maro no nalain’ireto roavavy ireto. Efa tafaverina amin’ny tompony ireo entana, raha efa najifa kosa ny vola. Angom-baovao tetsy sy teroa ihany koa no nahafantarana fa misy amin’ireo orinasa na olona mpanome mpanampy an-trano no toa hoe miray tsikombakomba mihitsy amin’ireto farany, mampiofana azy ireo amin’ny fangalarana. Mazava ho azy fa tsy maintsy misy kopaka hisasahana ao. Tokony hitandrina ny tsirairay araka izany, sao ny tena ihany nampiditra jiolahy an-trano !

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser