- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversRenivohitra: Olona dimy hita faty tanatin’ny herinandro

Renivohitra: Olona dimy hita faty tanatin’ny herinandro

Vao niantomboka ity volana desambra ity dia efa voasantatra sahady tamin’ny fisiana fatin’olona hitan’ireo fokonolona etsy sy eroa. Ny alahady lasa teo dia vatana mangatsiaka olona roa be izao no hitan’ny fokonolona. Ny iray tany Ambohitrimanjaka, izay vehivavy voalaza fa nisy namono ary efa tsy mitafy intsony ny tapany ambany. Potika ny molony ambony ary nahitana mangana kosa ny masony. Hita tsy lavitra ny razana ny kilaotiny sy ny karany. Fantatra fa vehivavy tsy manana toeram-podiana matotra izy io fa mivenjivenjy fotsiny eny an-toerana, raha ny voalazan’ny mpitandro filaminana. Ny faharoa kosa, tetsy Ambodivona. Lehilahy manodidina ny 40 taona teo ho eo ho maty ho azy teo am-pitoerana teo, raha ny voalazan’ireo nanatri-maso. Ankevitry ny efa narary ity rangahy ity. Voalazan’ireo mponina fa karazan’ireo olona tsy manan-kialofana, matory an-tsena ity rangahy ity. Ny alakamisy lasa teo indray, teny amin’iny faritra Ampasika iny, vatana mangatsiakana olona roa no hitan’ny fokonolona. Ny iray ilay tovolahy voalaza fa namono teny, ary natsingevan’ny rano, telo andro taty aoriana. Ny iray kosa, lehilahy sahabo eo amin’ny 40 taona teo ho eo. Ity farany raha ny voalazan’ireo mponina teny an-toerana dia ny marainan’io andro io izy no hitan’ny olona nivalampatra teo amoron’arabe. Noheverin’ny rehetra fa olona mamo matory ka dia tsy nisy niraharaha. Nandalo ny antoandro, nodimbiasan’ny hariva fa mbola tsy nifoha ilay rangahy. Izay vao samy taitra ireo olona teny amin’ny manodidina. Rehefa niantsona tompon’andraikitra, izay vao fantatra teo fa efa tsy izy intsony ity lehilahy ity. Ary tetsy Soavinandriana, zaza rano efa vatana mangatsiaka no nisy nanary tao anaty harona « sachet » hitan’ny olona teo ambody rindrina.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser