Vesatra efatra no nanenjehana ireo roalahy, Germain sy Olivier, tratra nitondra fitaovana mety mipoaka teny Namontana ny 26 jona lasa teo. « Fanohintohinana ny filaminana anatin’ny Fanjakana fikambanana andian-jiolahy ary fanamboarana baomba artizanaly » hoy ny fampitam-baovao avy ao amin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy, nisahana ity raharaha ity. Omaly ihany izy roalahy ireto no natolotra ny Fampanoavana. Taorian’ny nihenoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy ireo, dia fantatra fa nalefa eny Tsiafahy izy ireo, miandry ny fotoam-pitsarana. Araka ny vaovao voaray hatrany, dia « ampahana fitaovana ilaina amin’ny fanamboarana baomba artizanaly izay ahitana : « generateur/ source d’energie/fil conducteur d’energie » ary « interrupteur rhytmithic manual ». Ireo rehetra ireo no antsoina hoe « systeme de mis a feu” no hita teny amin’ireto roalahy sarona teny Madera Namontana ireto. Tao anatin’ny fanadihadiana azy, araka ny fanazavana azo hatrany no nahafantarana fa izany antsoina hoe Ramiaramila izany no nanome azy ireo ireto fitaovana ireto, ny marainan’ny 26 jona io. “Saika hoentina eny amina “coiffure” iray eny Anosibe izao tratra izao. Azo eritreretina izany fa any amin’ilay “coiffure” no saika hanambarana ireo fitaovana ireo amina “charge” mba hahafeno azy ho baomba artizanaly” hoy ny vaovao. Hatreto anefa dia mbola tsy fantatra mazava ny toerana misy io toerana fanaovana volo io. Mbola an-dalam-pikarohana ity antsoina hoe Ramiaramila ity ihany koa ireo mpitandro ny filaminana. Araka izany, na dia efa nadoboka eny Tsiafahy aza ireto roalahy, saika hanakorontana ireto, dia mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana.
m.L