- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversResaka famotsiam-bola iray miliara ariary : Natolotra ny fampanoavana omaly, ireo voarohirohy

Resaka famotsiam-bola iray miliara ariary : Natolotra ny fampanoavana omaly, ireo voarohirohy

Natolotra ny Fampanoavana omaly efa hariva be, ireo olona voarohirohy tamin’ilay resaka fanadiovam-bola iray miliara ariary; raha ny vaovao voaray teo anivon’ny mpitandro filaminana. Raha tsiahivina tokoa mantsy ity tranga ity, dia ny asabotsy 06 septambra no saron’ny mpitandro filaminana ny teratany malagasy vitsivitsy, voalaza fa nitondra vola be amina miliara tsy ara-dalàna. Taorian’io andro io dia nosamborina ihany koa ny teratany Sri-lankais roa, voatonona ho isan’ny atidoha nikotrika io famotsiam-bola io ary miandraikitra ny tambajotra ratsy amin’ny resaka fanakalozana vola maloto eto amintsika. Olona fito araka izany, raha ny fantatra hatrany no natolotra ny Fampanoavana omaly io. Hatreto aloha, hatramin’ny ora nanoratanay dia mbola tsy fantatra mazava izay valin’io fiakaran’izy ireo fampanoavana io, raha ny fanazavana azo teny amin’ny zandarimariam-pirenena hatrany. Eny fa na dia efa mandeha sahady ny feo fa toa hoe, olona enina amin’izy ireo no midoboka vonjimaika eny Antanimora, miandry ny fotoam-pitsaràna. Taorian’iny fotoana iny tokoa mantsy dia tsy nitsahatra mampametra-panontaniana ireo mpanara-baovao ny amin’ny fisiana volabe mandehandeha toa izao. Rariny sy hitsiny araka izany raha liana tanteraka amin’ity resaka ity izy ireo. Mainka moa fa miampy ireo volamena amam-polony kilao sarona tetsy Ivato. Lasa ihany ny saina, hay moa ka manankarena toa izany ihany ity Firenentsika ity, kanefa nahoana no mijaly ireo mponina ?

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser