- Publicité -
vendredi, mai 30, 2025
AccueilFaits-DiversResaka fampanofana kalaky telo teto Toamasina : Tratran’ny polisy i Jacques, mbola...

Resaka fampanofana kalaky telo teto Toamasina : Tratran’ny polisy i Jacques, mbola ifampitadiavana i Tida kely

Raha namoahana didy fikarohana azy Ingahy Jean Jacques, ilay tovolahy tafiditra tamin’ny fampanofana kalaky miisa 03 teto Toamasina, dia tratran’ny polisy ny tenany izao. Hetsika nataon’ny mpitandro ny filaminana noho ny firongatry ny fakana an-keriny no nahatrarana azy tamin’izany. Voalaza sy voaporofo tamin’izay fa naman’Ingahy Tida kely izy, ity farany izay voarohirohy tao anatin’ny fakana an-keriny ny zanak’ilay mpandraharaha, Atoa Arlan. Tsy afa-nandà ny mampifaningotra azy tamin’ity resaka fampanofana sy mpitahiry kalaky ity ilay tovolahy tamin’ny fahatrarana azy, ary nilaza fa 50.000 hatramin’ny 60.000 ariary isan’andro no ampanofany ireo kalaky telo tao aminy ireo. Ireo mpanao fakana an-keriny, sy ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana tamin’izany no tena mpanofa ny kalaky taminy. Efa tratra ary efa nomena ny toby nivoahany ilay kalaky, satria tobin’ny mpitandro filaminana ihany no niaviany, niaraka tamin’ny bala miisa 122 tamin’izay fotoana izay. Tamin’ny fotoana nahatrarana ny basy sy ireto bala maro be moa dia voalaza fa basy sy bala very tamin’ny tobin’ny mpitandro filaminana nisy namaky teto amintsika no nahavery azy ireo ka tonga teo am-pelatanan’ireo andian-jiolahy. Ankilan’izay dia mbola ity tovolahy antsoina hoe Jean Jacques ity ihany koa no namono nahafaty ilay polisy avy niasa namonjy fodiana ny 06 janoary lasa iny teo am-bavahadiny miditra ao aminy. Avy nanao fanafihana mitam-piadiana tao Tsarakofafa izy ireo tamin’izay ka nifanenjehan’ny polisy tamin’izany, ka ilay polisy namonjy fodiana tsy nanampo na inona na inona nifanena tamin’izy ireo ity no avy hatrany dia nitifirin’izy ireo tamin’izay. Ankoatra izay dia sarona niaraka tamin’ity tovolahy ity koa ilay Ramatoa Sylvie mpanome ody gasy sy mpampanofa ny basy PA ary mpitahiry ny zavatra avy angalarin’izy ireo ao aminy. Nahatrarana “télé-commande maro be, ody gasy samihafa, fanalahidy isan-karazany, karapanondrono samy hafa, ary moto halatra avy any Fenerivo atsinanana, tao an-tranon’ity Ramatoa Sylvie ity tamin’ny fisavana ny tranony.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici