Ny alatsinainy hariva teo no voasambotra teny amin’iny faritra Andravoahangy iny, ny lehilahy iray, izay voalaza fa tao ambadik’ilay vaovao niparitaka tao anaty tambajotra sosialy mahakasika ny resaka fahafatesana olona 25 voan’ny pesta teny Ambohimiandra. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny lehilahy ary nomen’ny fitsaràna fahafahana vonjimaika, mandra-pahatongan’ny fotoam-pitsarana azy. Taorian’ny fiparitahan’ireo vaovao ireo, dia nisy avy hatrany ny fandisoana izany nataon’ireo tompon’andraikitra isanisany ary nolazaina avy hatrany fa fanakorontanana saim-bahoaka ilay vaovao. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitandro filaminana niroso tamin’ny fikarohana izay mety ho loharano nipoiran’ity vaovao tsy marina ity. Ary dia io niafara tamina fisamborana olona teny Andravoahangy io. Araka ny fanazavana azo, dia fantatra fa tompona kaonty tsy izy, roa be izao ingahy io. Kaonty tsy amin’ny anarany fa amina anaram-behivavy noforonina, ary nentina fotsiny nanaparitahana io vaovao io. Niaiky ihany koa izy tamin’izany fa azy ireo ary nambarany tamin’ny fanadihadiana fa nataony ho « sangisangy » io fanaparitahana tsaho momba ny resaka pesta io. Fa raha tsiahivina tokoa ny zava-niseho, dia ny faran’ny herinandro ary toa mbola miparitaka amin’izao, nisy hafatra miafina izay niampitampita tao anatin’ny Facebook tao. Hafatra izay nampitandrina ny olona fa efa am-polony maro no matin’ity areti-mandoza ity, teny amin’iny faritr’ Ambohimiandra iny, saingy afenina izany vaovao izany. Milaza fa marim-pototra moa ny vaovao nolazainy tamin’ny sonia tery ambanin’ilay hafatra ka maro dia maro no nino. Antony nahatonga ireo tompon’andraikitra nanao ny fanadihadiana avy hatrany.
m.L