Ny vola tsy maha-mpihavana sy maha-mpinamana ! Tranga nahatsiravina no niseho tetsy Ambohitrombihavana, kaominina Ambohimangakely, ny faramparan’ny volana mey teo. Mpinamana telolahy, samy iray fiaviana saingy miasa aty an-tanin’olona no nifanindrona antsy teny an-toerana, teo am-pirevirevena avy nandray vola faran’ny volana iny. Maty vokatr’izay ny roa lahy ary teny an-dalana handeha hitsoaka, hihazo ny toeram-piavian’izy ireo, any Ambohimahasoa ny iray. Raha ny filazan’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimangakely, nanao ny famotorana, dia niaraka nisotrosotro izy ireo. Raikitra tampoka teo anefa ny fifamaliana, ary niafara tamin’ny fikasihan-tanana. Ny nahagaga dia efa nivonona tamin’ny antsy lavalela ny iray ary nampiasa izany tamin’izy roalahy namoy ny ainy ireto. Tsindrona antsy tsy tam-pisalasalàna, teo amin’ny fo sy tenda no nahafaty azy ireo, araka ny fanazavanan’ny zandary hatrany. Nitsoaka toy ny tsy teo ilay namono ary io efa anaty taxi-brousse handeha hody io no noraisim-potsiny. Mbola hita tany aminy ihany koa ilay antsy lava nihoson-drà. Efa vita ny famotorana ilay raikalahy io ary efa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana izy. Tsy nisalasala ihany koa ireo mpitsara mpanao famotorana, nandefa azy avy hatrany eny Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L