- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRiana Raymond (Mpanao gazety) : Namoaka ny bokikely, ho enti-miady amin'ny...

Riana Raymond (Mpanao gazety) : Namoaka ny bokikely, ho enti-miady amin’ny « Extorsion »

Namoaka ny boky mitondra ny lohateny hoe:  » L’Extorsion, un fléau qui ne doit pas rester impuni. Le cas de Madagascar », ny voalohan’ny volana aogositra lasa teo, ny bokikely nosoratan’i Riana Raymonde Randrianarisoa na i Riana Raymond no ahalalana azy amin’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Bokikely izay sady ho entina manentana ny olona lasibatra ho sahy mitoroka, no hanampiana ny mpisehatra rehetra miady amin’ny « Extorsion » hampihatra ny lalana, ankilany. Marihina fa tsy ny fanerena olona hanome vola ihany no atao hoe « extorsion » fa misy ihany koa ny endriny samihafa, tahaka ny fanerena olona hiaiky heloka tsy natao, ohatra mandritra ny famotorana. Ohatra amin’izany ny fanerena hahazoana sonia, hanaovana fifanarahana ara-barotra. Miseho amin’ny endriny maro ny « Extorsion ». Voasokajy ho fandikan-dalana faizin’ny fehezan-dalàna famaizana izy io. Tany amin’ny distrikan’i Betroka no nanaovanany fanadihadiana, nandritra ny valo volana, nahafahana nandrafitra ity bokikely ity. Antony, noho ity distrika ity, izay ahitana karazana fandikan-dalana maro, amin’ny maha faritra mena, azy. Fiaraha-miasa amin’ny tetikasa « ResilienceFund », vatsian’ny Global Initiative Against Transnational Organized Crime, fikambanana iraisam-pirenena miady amin’ny karazan-keloka voahomana sy voarindra ( Crimes organisés) any Soisa no nahafahana Namoaka ity vokatra ity. Ho zaraina maimaimpoana ny bokikely, amin’izao voalohany izao. 500 isa no natota voalohany.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici