- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversRivodoza Batsirai : Miantrana am-bavabasy tanteraka ny Tafika Malagasy

Rivodoza Batsirai : Miantrana am-bavabasy tanteraka ny Tafika Malagasy

Efa vonona avokoa ireo fitaovana.

Azo lazaina fa efa ao anatin’ny fiatrehana ny figadonan’ilay rivodoza Batsirai izay ahiana mafy ny fiantraikany eto amin’ny firenena raha tarafina amin’izay nanjo ireo toerana efa nolalovany ny Tafika Malagasy. Raha vao voalaza fa tsy maintsy hiditra eto Madagasikara ity andro ratsy ity dia nanome baiko ireo Kaomandin’ny Fari-piarovana sy Fandriampahalemana (ZDS) izay vinavinaina handalovan’ity rivo-doza ity ny Lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Délphin mba hanao izay tandrify azy ireo hiatrehana sy hisoroana ireo loza mety haterak’izany. Nanamafy ny Lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika fa tsy maintsy atao izany ho fiarovana ireo mpiray tanindrazana amin’ireo loza mety hiseho. Misy araka izany ireo hetsika natao toy ny fanalàna ireo hazo lehibe ahiahiana hidaboka ka hitera-doza ho an’ny olona manodidina nataon’ireo miaramila avy ao amin’ny ZDS Matitanana tao amin’ny faritry Manakara, Mananjary, Farafangana. Toy izany ihany koa ny avy ao amin’ny ZDS Mandrare tao amin’ny faritra Tolagnaro sy ny ZDS Pangalana izay ahitana ny 4°UCP, 2°BLIG ary ny 3°BLIG. Nandritra izany asa izany no nanentanan’ireo miaramila ireo ny mponina handray ireo fepetra fisorohana amin’ny fandalovan’ny rivo-doza toy ny fanamafasina ny tafo-trano, ny fialana amin’ny toerana iva ary ny fanangonana ireo sakafo ilaina mandritra izany. Araka izany dia efa mihantrana miaraka amin’ireo fitaovana entina hiatrika ity rivo-doza ity ny miaramila misehatra eo anivon’ireo ZDS miisa 10 manerana ny Nosy. Miomana amin’ny lafiny rehetra ireo antoko Tafika telo izay ahitana ny Tafika an-tanety, ny Tafika an-dranomasina ary ny Tafika anabakabaka ary vonona hifandrimbona hiaro ny mpiray Tanindrazana toy ny efa fanao hatrizay.

Efa eny an-tsehatra ny Minisitra. Ao antin’izay fiomanana sy fiatrehana izay ho voka-dratsin’ity andro ratsy ity indrindra dia efa eny an-tsehatra tanteraka ny Jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Omaly izy dia niara-dia tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian Tany Mananjary mba hijery sy hanara-maso ny lamina efa napetraka any an-toerana. Isan’izany ny fepetra sy ny toerana  tokony handraisana ireo traboina noho ny fiakaran’ny rano sy ny loza hafa hateraky ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai izay hiarahana amin’ny BNGRC sy ireo mpitandro filaminana hafa. Taorian’izay dia nanentana ny olom-pirenena tsirairay ny tenany mba hanaiky hatrany izay fandaminana hapetraka mba hanamorana sy hanafainganana ny asa fanavotana. Nanamafy moa ny Minisitra fa efa nomeny baiko ny miaramila hampiasa ny fitaovana rehetra ahafahana miaro ny ain’ny vahoaka sy hanampy azy ireo. Nambarany fa efa maro ireo miaramila naparitaka eny amin’izay toerana fantatra fa tsy maintsy ho voakasik’ity rivodoza ity. « Tanjona amin’izao fiomanana izao ny hampihena ny isan’ireo traboina sy hisorohana ny famoizana ny ain’ny mpiray tanindrazana satria izay tsara fiomanana tsy ho tampohin’ny loza », hoy ny Minisitra.

Nangonin’i T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici