- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversRN 10 – Fiaran’ny jirama voatafika

RN 10 – Fiaran’ny jirama voatafika

Mahazo laka tato ho ato ny lafiny tsy fandriampahalemana, indrindra ny fanafihana mitam-piadiana any amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Fiaran’ny Jirama iray nihazo ny lalam-pirenena fahafolo iny no notafihana andian-jiolahy nitam-basy satria noheverin’ireo dahalo fa ho ilay fiara nitondra ny volan’ny mpampianatra Fram ho an’ny distrikan’i Betioky sy Ampanihy Andrefana. Diso paika ireo olon-dratsy tamin’ity indray mitoraka ity, ka niala maina. Tsy nisy naratra na aina nafoy tamin’ity fanafihana ity, raha ny vaovao voaray. Kere ty ndaty ka tsy mifidy hotafihana sy amboarina intsony amin’izao.

Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser