- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversRN 2 : Mpamily iray matin’ny lozam-pifamoivoizana

RN 2 : Mpamily iray matin’ny lozam-pifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana nahafaty mpamily teo no ho eo ; teo amin’ny lalam-pirenena faharoa raha 10 km miala an’i Moramanga,eo amin’ny fokontany Ambohimarina ao anatin’ny kaominina Ampasipotsy gara, ny alatsinainy 25 septambra 2016,tsy nifandona na nandona zavatra ity fiara tsy mataho-dalana ity ary tsy dia nandeha mafy ihany koa hoy ireo nanatri-maso,efatra izy no tao anaty fiara ary ilay mpamily irery no maty no sady tafavoaka tety ivelany. Samy nilaza kosa ireo rehetra tao anaty fiara, fa nisy zavatra niampita tampoka izay tsy fantatra izay nipoirany ary samy nihoraka izy rehetra,samy nanana ny fahitany ity zavatra niampita ity avokoa izy rehetra satria ilay mpamily niteny mafy hoy ireo namany fa zavatra mandady ary ireo hafa ikosa nahita fa zaza no teo.Tsy hita anefa ny nanjavonan’ilay zavatra taorian’ny loza.

Cathy

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici