- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRN 2 : Nivarina an-kady ilay kamiao nitondra omby, dimy no maty

RN 2 : Nivarina an-kady ilay kamiao nitondra omby, dimy no maty

Isany làlana be mpampiasa eto amintsika ny làlam-pirenena faha-2, noho izy mampitohy ny renivohitra sy ny seranan-tsambon’i Toamasina, izay hivoahan’ireo entana be indrindra amin’ny fifanakalozana ara-barotra eto amintsika.

Kamiao nivadika.  Tena ahitana lozam-pifamoivoizana ateraka ireo fiara vaventy noho izany ny làlam-pirenena faha-2. Omaly tokony tamin’ny 08 ora maraina izao dia kamiao avy any Ambalavao Fianarantsoa hitondra omby hamidy sy hovonoina tao Toamasina no nivarina an-kady. Vokatra izay loza izay dia maty ny omby 5 tamin’ireo 25 nentin’ity kamiao ity, izay mitentina manodidina ny 8 tapitrisa ariary eo. Raha ny fanazavan’ny mpamily dia ny tsy fifanajana nataon’ity kamiao mpitondra solika mangalatra miditra fiholanana no nahatonga izany, satria nahazo sisiny loatra noho ny fialana ity kamiao mpitondra solika hiazo an’Antananarivo ity ilay kamiao mpitondra omby ho any Toamasina, ka izao nivarina an-kady izao. Ireo efa-dahy tao anatin’ilay kamiao ho any Toamasina kosa tsy nisy naninona.

Ahitra lava loatra. Isany olana sedrain’ireo mpamily isan’andro amin’ny làlam-pirenena faha-2 ny halavan’ny ahitra maniry an-tsisin-dàlana, hany ka rehefa ao anaty fiholanana dia tsy mifankahita ny samy mpamily raha tsy efa mifanakaiky. Noho izay dia ahiana hitera-doza goavana amin’iny làlam-pirenena faha-2 iny ity toe-javatra ity, izay anjaran’ny ministeran’ny asa vaventy no misahana sy fanaramana ireo olona tokony hanapaka izany. Iaraha-mahalala anefa fa betsaka ihany koa ireo kamiao tratry ny olana, izay mazana raha tsy fiakarana dia fiholanana no tena hitrangan’izany amin’iny làlam-pirenena faha-2 iny.

Ankoatra izay, dia loza tsy latsaky ny 6 no hita miala Toamasina hatrao Moramanga amin’ny làlam-pirenena faha-2; izay kamiao avokoa no tratrany ary ny tsy fifanajana amin’ny samy mpamily ihany koa no antony raha nanontaniana ireo mpamily tra-doza rehetra.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici