- Publicité -
samedi, août 16, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN 34 : Kamiao nitondra « palissandre » saron’ny zandary

RN 34 : Kamiao nitondra « palissandre » saron’ny zandary

Fiara lehibe iray no saron’ny zandary nitondra hazo sarobidy tsy misy taratasy fahazoan-dalana. Tao Betafo amin’ny lalam-pirenena faha-34 no nahatratrarana ireto hazo sarobidy ireo rehefa nandalo ny fisavana nataon’ny zandary avy amin’ny BPR Antsirabe. Fantatra fa fiara avy niasa nanamboatra lalana tao Belo Tsiribihina ity fiara lehibe ity. Raha ny fanazavana dia kapakapain’ny olona atao kitay eny rehetra eny ny hazo palissandre ao amin’ny faritra andrefana ao ka izany no nahatonga ireo olona nitondra azy ireo, satria fantatra ihany ny hasarobidin’ireny hazo ireny. Na izany na tsy izany, voararan’ny lalana ny fitrandrahana ny hazo toy itony sy ny mitondra azy, noho izany dia tsy maintsy enjehin’ny lalana ny tompon’andraikitra amin’ireto hazo voarara ireto. Efa nogiazana ny hazo sy ilay fiara, hoy ny GPHC Ratianarivo Barilala, kaomandin’ny BPR Antsirabe. Homena ny sampandraharahan’ny rano sy ny ala ireo hazo ireo aorian’ny fizahana azy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici