- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN 34 : Taxi-brousse nisy nanakana, olona iray naratra mafy, voaroba avokoa...

RN 34 : Taxi-brousse nisy nanakana, olona iray naratra mafy, voaroba avokoa ny mpandeha

Nitrangana fanakanan-dalana indray ny lalam-pirenena faha 34, taxi-brousse iray no lasibatra tamin’izany, tapitra voaroba avokoa ny mpandeha rehetra.

Mahazo vahana indray ny asan-jiolahy amin’ny fanakanan-dalana tato ho ato izay, saika ahenoana izany avokoa ireo lalam-pirenena misy. Toy ity niseho tany amin’ny lalam-pirenena faha 34 ity, taxi-brousse iray Mazda, niainga teto Antsirabe hihazo an’i Morondava no nisy nanakana tao Ampangabe atsinanan’Ankilizato, tamin’ny 27 jolay lasa teo. Vao tamin’ny 6 ora sy sasany hariva  no nitrangan’ny fanafihana. Nosakanan’ireo jiolahy tamina vato malao be teo amina fiolanana iray, izay marihana fa tsy tazana lavitra mihitsy raha tsy efa akaiky raha ny filazan’ny loharanom-baovao. Tsy afa mihemotra rahateo intsony ny fiara satria efa misy miandry indray aoriana vao mijanona kely ny fiara. Niezaka niala ny vato ka nikasa handositra ihany ny mpamily saingy tsy afaka ka vaky hatramin’ny moteran’ny fiara mihitsy. Maty tanteraka ny fiara ka tamin’izay no tonga nanao rodo-be avy hatrany ireo jiolahy mpanakan-dalana sady nanapoaka basy. Nanidy ny varavarana sy ny fitaratra ny mpandeha saingy novakian’ireo jiolahy, tapitra norobainy avokoa ny mpandeha rehetra, vola an-tapitrisa sy finday niampy ny entana lasan’ireo jiolahy avokoa, ireo izay tsy nanam-bola kosa raha ny fanazavana hatrany dia nodarohan’ireo jiolahy. Isan’izany ny mpanampy soafera izay naratra mafy tokoa.

Manodidina ny 30 lahy eo no isan’ireo jiolahy raha ny fantatra hatrany. Ilay mpamily ny fiara no tafaporitsaka ka nanatona tobin’ny zandary, làlana 10 km tsy hidirana an’Ankilizato. Tonga nijery ny zava misy ihany moa ireo zandary saingy tsy nahatratra na inona inona intsony, efa tapitra nandositra ireo jiolahy. Miseho lany mihitsy ity fanakan-dalana ity. Raha ny fantatra dia vao tamin’ny faha 24 jolay koa no nisy fiara taxi-brousse iray vaosakana teo amin’io toeana io hatrany.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici