- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversRN 4 : Halatra 4X4, olona roa maty voatifitra

RN 4 : Halatra 4X4, olona roa maty voatifitra

Nisehoana fanafihan-jiolahy tamin’ny lalam-pirenena faha-4 ny talata teo. Vokatr’izany, olona roa no maty notifirin’ny jiolahy. Very tamin’io fanafihana io koa ny fiara roa 4X4 sy vola 10 tapitrisa ariary ary finday maro. Io andro io, niala avy any Antsiranana ny fiara 4X4 roa nentina mpivady, samy nitondra iray avy izy ireo. Nilamina tsara izy ireo teny an-dàlana. Rehefa tonga teo Ambondromamy, nijanona nisakafo izy ireo. Rehefa izany, roso ny dia nihazo an’Antananarivo. Rehefa afaka teo amin’ny 40 km eo anefa, nahatsikaritra izy ireo fa nisy fiara 4X4 roa nanaraka azy ireo. Tampoka dia tampoka, nihoaran’ireo fiara nanaraka ry zareo ary nobahanany ny làlana. Ny loharaom-baovao no nahalalana fa avy hatrany dia tifitra no niantefa teny amin’ilay vehivavy nitari-dàlana. Maty teo no ho eo izy. Ankoatra azy, nisy olona iray niaraka taminy, voan’ny bala ihany koa ary dia namoy ny ainy. Voalazan’ny vaovao voaray fa nisy valo ireo jiolahy. Navoakany ilay lehilahy nitondra ny fiara faharoa sy ireo olona niaraka taminy. Nosavainy ireo fiara ary lasany tamin’izany ny vola mitentina hatrany amin’ny 10 tapitrisa ariary, nalainy avokoa ny telefaonina tao. Rehefa izany nentiny koa ny fiara roa ary dia tsy hita izay nalehany. Ilay rangahy irery niaraka tamin’ny olona tao anaty fiarany sisa teo. Afaka nampandre mpitandro filaminana ihany anefa izy. Ireo olona antra no nanampy azy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa avy any Atsiranana izy ireo handeha hamangy havana any Ambatondrazaka. Dokotera ity rangahy ity ary miasa any Antsiranana. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha amin’izao fotoana izao. Misokatra ny fanadihadiana.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser