- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversRN 4 : Kamiao nitondra mpiantsena voatafika, olona telo naratra mafy

RN 4 : Kamiao nitondra mpiantsena voatafika, olona telo naratra mafy

Nisehoana fanakanan-dalana tamin’ny lalam-pirenena faha-4 ny talata lasa teo efa hariva. Araka ny loharanom-baovo, fiara nitondra entana maro sy mpiantsena ity niharan’ny fanakanana ity. Tsy dia lavitra intsony ny tananan’i Maevatanana no niseho ny fandrobana fa eo amin’ny 45 km eo. Avy any amin’ny kaominina 5/5 ireo mpivarotra ireo. Teo amin’ny fivilian-dàlana teo amin’ny tetezan’i Kelimolotra no niseho ny fanafihana. Nisy fiara minibus mampitohy an’Ambondromamy sy Maevatanana nandalo tamin’ny fotoana namelezan’ireo jiolahy. Voalaza fa saika hanavotra ireo niharan’ny fandrobana ity fiara ity. Tsy nisalasala ireo jiolahy fa avy hatrany dia nanao tifitra vary raraka. Olona telo no naratra mafy tamin’izany ary ny iray aza moa tsy nahatsiarao tena. Tsy maintsy nentina haingana tao amin’ny hopitaly lehibe ao Maevatanana izy io. Araka ny fantatra, tsy nisy voasambotra ireo mpanakan-dàlana fa lasa nandeha. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici