- Publicité SW45 -
lundi, septembre 9, 2024
AccueilFaits-DiversRN 4 : Taxi-brousse voatafika, olona efatra voakapa famaky

RN 4 : Taxi-brousse voatafika, olona efatra voakapa famaky

Miverina indray ny asan-jiolahy amin’iny làlana iny. Ny alin’ny  25 febroary teo, tokony ho tany amin’ny 12 ora, nosakanan’ireto olon-dratsy ny fiara fitaterana iray mpampitohy an’ Antananarivo sy Maevatanana  teo amin’ny PK166+300 tsy lavitra ny tananan’i Kiangara – Ankazobe. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nosakanan’ireo jiolahy ny lalana ary tsy maintsy nijanona ilay fiara. Avy hatrany dia nohodidin’ireo mpandroba. Niditra tamin’izay ry zalahy ary nasainy navoaka avokoa ny vola rehetra.Tsy nisy afa-nihetsika ireto mpandeha efatra ambin’ny folo tao anatiny, fa dia naka izay azony nalaina ireto jiolahy. Vola no tena nokasain’izy ireo tamin’izany koa dia raikitra ny fisavana ny paosy sy ny paoketran’ireo mpandeha . 1 015 000 ar no totalin’ny vola tany amin’ireo mpandeha. Nisy tamin’ireo mpandeha no voadaroka sy voakapa famaky ka anisan’izany ny mpamily. Mahatratra efatra ny voan’izany. Rehefa azon’ireo olon-dratsy ny vola dia lasa nivoaka izy ireo ary navelany nandeha ilay fiara. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ireo voatafika. Nandeha tany amin’ilay toerana ny zandary ka mbola tratra tao ireo jiolahy. Raikitra ny fifanenjehana ,telo tamin’ireo mpandroba no voasambotra. Ireo namany hafa kosa tafaporitsaka.

Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

ALEM

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser