- Publicité SW45 -
samedi, avril 27, 2024
AccueilFaits-DiversRN 44 : Fiara mpitatitra entana notifirin’ny jiolahy

RN 44 : Fiara mpitatitra entana notifirin’ny jiolahy

Miaina ao anatin’ny tebiteby hatrany ireo fiara mampiasa ny lalana RN 44 mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka. Ny  faha-13 aogositra 2014 tokony tany amin’ny 1ora maraina tany ho any no nisy jiolahy nanakana sy nitifitra ny fiara lehibe iray mpitatitra entana raha iny hihazo an’Ambatondrazaka iny. Ny mpamily no notetehan’ireo jiolahy notifirina  ka ny sisin’ny fitaratr’ilay fiarabe no voa. Mailo ilay mpamily ka nirifatra nandositra tamin’ilay fiara, ka na dia ratsy dia ratsy aza ny lalana dia tafaporitsaka ihany ity fiara ity, fa ny fitaratra sy ny sisin’ny fiara no potika. Fantatra fa entana marobe mahatratra any amin’ny 14T any ho any no nentin’ity fiara ity. N y entana ao anatin’ny fiara indray izao no tetehin’ireo jiolahy taorian’ireo fanakanana takisiborosy  tato ho ato izay. Anisan’ny mampahazo vahana ny fanakanan-dalana amin’io toerana io ny faharatsian’ny lalana eo anelanelan’Andaingo sy Andilanatoby, satria tsy afaka mandeha mafy ireo fiara, na fiara vaventy izany na fiara madinika, noho ny fisian’ny lavadavaka amin’ny lalana. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ireo mpampiasa lalana.

Janus R

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser