- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversRN 44 : Mpandraharaha vary voaroba volabe

RN 44 : Mpandraharaha vary voaroba volabe

Ny alin’ny talata, nisy fanakanan-dalana teny amin’ny RN 44. Lasibatra tamin’izany ny fiara fitaterana iray, taxi-brousse. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa mpandraharaha vary iray no tena nahazoan’ireo jiolahy vola hatrany amin’ny 3 tapitrisa ariary. Ankoatra izany, nalain’ireo olon-dratsy koa ny entana tsara rehetra tao anatin’ilay fiara. Teo amin’ny toerana antsoina hoe Ambohidava eo anelanelan’ny tanàna Fiarenana sy Amboasary gara no nisy ny fanafihana. Tsy dia nisy fantatra amin’ny antsipiriany moa ity fanakanan-dalana ity fa raha ny vaovao voaray dia toa efa nokendren’ireo mpandroba ny fiara nitondra ilay mpandraharaha. Araka izany, efa nanana vaovao marim-pototra mikasika an’ity olona ity ry zalahy. Voalaza hatrany koa fa nitondra basy mahery vaika ireto jiolahy ireto. Taorian’io fanafihana io moa dia voalazan’ny loharanom-baovao, fa nisy vehivavy iray naratra. Toa tsy dia misy atahorana anefa ny aminy.

Miverina indray izany ny fanakanan-dalana amin’niny lalam-pirenena iny raha somary nangina kely izany tao anatinn’y volana maro. Marihina fa lalana anisan’ny maro mpampiasa ny RN 44 izay mampitohy an’i Moramanga amin’Alaotra. Taoana vitsy lasa izay, nampitondra faisana ireo mpandeha taxi-brousse ny jiolahy isan-karazany. Efa nisy hetsika nataon’ny mpitandro filaminana manodidina izany ary somary mba nihena kely ny asan-jiolahy. Dia izao miverina izao indray.

Janus

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici