Ny alin’ny alahady tokony ho tany amin’ny 9 ora tany ho any, fiara Sprinter iray nitondra mpandeha no notifirin’ny jiolahy. Potika ny pare à brise sy ny fitaratra amin’ny ilany havian’ilay fiara. Mba tsy nisy naninona kosa ireo olona tao anatiny. Nizotra tsara ny dian’ity fiara ity. Rehefa tonga teo amin’ny toerana antsoina heo Andranokobaka anefa, nisy vatobe nasakana ny lalana. Nandeha mora saika hijanona ny mpamily ary tamin’izay indrindra no nirefotra ny basy. Impito, hoy ny voavao voaray. Teo anoloana’izany, niezaka nandingana ireo vato izy ary dia mba afaka soa aman-tsara.
Janus