- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversRN 6 : Lozam-pifamoivoizana, olona 8 namoy ny ainy, 31 maratra mafy

RN 6 : Lozam-pifamoivoizana, olona 8 namoy ny ainy, 31 maratra mafy

Voalazan’ny vaovao fa nanenjika fiara iray teo alohany ilay namily tamin’io fotoana io ka izany no anisan’ny nahatonga ny loza

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina ny talata alina teo, tokony ho tamin’ny 10 ora tamin’ny lalam-pirenena faha-6 teo amin’ny tatazan’i Manambaro any Befotaka Antsohihy. Vokany, olona valo no fantatra fa namoy ny ainy ary 31 hafa maratra mafy. Tsaboina any amin’ny hopitalin’Antsohihy amin’izoa fotoana izao ireo naratra. Avy any Antalaha ho aty an-drenivohitra ity fiara be mpitatitra ity izao sendra ny loza izao. Ny vaovao voaray teo anivon’ny mpitandro filaminana sy ny havana akaiky ireo niharam-boina no nahalalana fa ny mpanampy ny mpamily no nitondra ny fiara tamin’io fotoana io. Nanenjika fiara iray teo alohany izy. Rehefa hiditra ny tetezan’i Manambaro anefa, nidona tamin’ny sisin-dàlana ny kodiarana iray ary vaky. Tsy voafehy intsony araka izany ny familiana, ka latsaka tany anaty hady. Maina amin’izao fotoana izao ny tany ka tsy misy rano tao ambany tetezana. Ny vaovao voaray hatrany no hilazana fa hatramin’izao, tsy hita izay nalehan’io olona nitondra ny fiara io. Ilay mpamily voalaza fa anisan’ireo maratra.

Saika efa tonga tany an-toerana avokoa ny havan’ireo maty sy maratra amin’izao fotoana izao. Na izany aza, ny razana efatra dia tsy mbola nisy naka. Ao amin’ny tananan’ Antanambao Manambaro no nametrahana ireo olona namoy ny ainy. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, hahalalana ny tena zavanisy marina io alina io.

Marihana fa fiara anisan’ny lehibe mahazaka olona hatrany amin’ny 50 no miasa amin’iny làlana iny, mampitohy an’i SAVA amin’ Antananarivo.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser