Ambolana no efa niaina tao anatin’ny vovoka ireo mampiasa ny lalam-pirenena fahafito Antananarivo-Antsirabe amin’ny ampahan-dalana maro noho ny fanamboarana. Mbola hiampy volana maromaro izany satria araky fantatra dia ezihina hovitaina amin’ny faran’ny taona izao ny ampahany amin’ireo lalana asiana fanamboarana ireo izay mirefy 100km. Ny 20 km amin’io kosa no voalaza fa ho vitaina hatramin’ny volana jona ho avy izao.
Tsiahivina fa ny orinasa Sinoa zhongmey Engeenering vatsian’ny banky iraisam-pirenena sy ny orinasa Malagasy SITEX-BTP sy MAGIC miara miasa amin’ny fanjkana Malagasy amin’ny alalan’ny «Fonds routier » miantoka ny asa fanamboarana rehetra.
Nidina ifotiny ny minisitry ny asa vaventy Rafidison Richard Théodore, notronin’ny lehiben’ny farira vakinankaratra sy ireo delegasiona niaraka taminy nijery ny fizotran’ny asa fanamboarana amin’ny ampahany izay efa manomboka mandrakotra tara ny lalana ny orinasa tonmpon’andraikitra.
Antenaina fa haharitra sy hateza ity lalana asiam-panamboarana fa tsy toy ny teo aloha kely teo vao, mirotsaka ny rotsakorana dia miverina ratsy noho teo indray aza, hinoana ihany koa fa hisy ny fikojakojana maharitra hatao aorian’ny fahavitana azy ity mba hialana amin’ny toy izao.
Andry N