- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversRN 7- Lozam-pifamoivoizana : Ho hentitra ny mpitandro filaminana manoloana ny gaboraraka

RN 7- Lozam-pifamoivoizana : Ho hentitra ny mpitandro filaminana manoloana ny gaboraraka

Ireo tompon’andrikitry ny polisy eto Vakinankaratra nitafa tamin’ny mpanao gazety.
Ireo tompon’andrikitry ny polisy eto Vakinankaratra nitafa tamin’ny mpanao gazety.

Nanao valandresaka ho ann’y mpanoa gazety ny tompon’andrikitra ao amin’ny polisim-pirenena Antsirabe manaloana ny lozam-pifamoivoizana nisesy tao anatin’ny tapa-bolana. Ho hentitra ry zareo manoloana ny tsy fitandremena isan-karazany.  Tokony ho mailo hatrany ny mpampiasa ny lalàna ary entanina ny rehetra hanaraka ny toromarika rehetra, hoy ny kaomisera divisionera Talily Damy, nitafa tamin’ny mpanao gazety. Nohamafisiny fa tsy ampy fifehezan-tena ny mampily mazàna ka ho mafy ny sazy miandry ireo izay tratra mandika lalàna, ary hiafara amin’ny fisintonana ny “permis” mihitsy raha ilaina. Hampiasa irony fitaovana manokana hamantarana ny tahan’ny  alikaola ‘’ Alco test” ny polisy mba hamantarana ireo be vinany amin’ny fisotroana toaka nefa mpamily. Ho fisorohana hatrany ny loza mety hitranga, mahakasika ny fifamoivoizana dia fantatra fa hisy ny atrikasa na fiahaonam-be ho an’ny polisy rehetra eto Vakinankaratra, izay hatao tsy ho ela. Hodinihina amin’io ihany koa ny ady atao amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy ny asan-jiolahy.

Nisesisy mihitsy ny lozam-pifamoivizana teto amin’ny faritra Vakinankaratra. Nahatratra 11 ny olona maty ary maherin’ny 50 no naratra tao anatin’ny tapa-bolana monja raha ny tarehimarika nomen’ny teo anivon’ny polisim-pirenena. Saika ireo lalam-pirenena avokoa no nitrangan’ny loza, isan’izany ny lalam-pirenena faha34, ny RN 7 ary ny lalan’i Faratsiho, izay nisehoana loza vao haingana ihany koa. Ankoatra ny faharatsian’ny lalana izay efa mampiteny ny moana tokoa amin’ireo lavadavaka dia isan’ny mahatonga ny loza ny tsy fitandremana sy tsy fahamailona eo amin’ny familiana, ary ny tsy fanajana ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser