- Publicité SW45 -
mardi, juillet 9, 2024
AccueilFaits-DiversRN 7- Lozam-pifamoivoizana : Olona roa namoy ny ainy

RN 7- Lozam-pifamoivoizana : Olona roa namoy ny ainy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafaty olona ny lalam-pirenena faha-7 ny alahady sy omaly alatsinainy. Olona roa no fantatra fa maty. Tamin’ny alahady alina, nisy fiara iray avy any Fianarantsoa ho aty Antananarivo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa olona mianaka no tao anatiny. Ilay zanany no nitondra ny fiara. Noho ny harerahana anefa dia niaharan-doza izy mianaka. Nidona tamin’ny vody hazo ilay fiara. Vokany: namoy ny ainy ilay lehilahy lehibe. Tsy lavitra ny tanànan’Ambatofotsy no niseho ity loza ity. Namonjy ny renivohitra izy ireo hanatrika ny fanadinan’ny zafikelin’ilay namoy ny ainy.

Ny loza nahafaty olona faharoa dia teny Ambalavao, mbola Atsimondrano ihany. Fiara mpitatitra iray marika Sprinter no nikipily ary dia nianjera tany anaty tatatra. Toa mafimafy ihany ny fianjerany ka nisy lehilahy iray 50 taona voadona mafy ary dia izany no nitarika ny fahafatesany. Ankoatra izany, mpandeha valo no naratra. Omaly maraina tamin’ny 6 ora no niseho ity zavatra ity. Avy any Ampangabe ho aty an-drenivohitra ilay fiara mpitatitra.

nangonin’i r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser